plt_tn/lev/16/17.md

957 B

Tsy maintsy mivoaka eo amin'ny alitara izay eo anatrehan'i Yaveh izy

Io dia ny alitara fanaovana sorona ao an-tokontanin'ny tabernakely.

manao fanavotana ho an'izany

Tahaka ny toerana masina sy ny lay fihaonana, ilay alitara dia maloto nohon'ny fahotan'ireo vahoaka.

Tandroky ny alitara

"ny sary hita eo amin'ny zoron'ny alitara" Io dia manondro ny zoron'ny alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. Adikao tahaka ny nanaovanaoazy ao amin'ny 4:6.

mba handiovana izany

Ny fahamendrehan'ny fampiasana ny alitara ho an'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny.

hanokanana izany ho an'i Yaveh, lavitr'ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely

Ny fanokanana ny alitara ho an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nosarahina ara-bakiteny tamin'ny fahotan'ireo vahoaka.

'ireo asa maloto

Ireo asa feno fahotana izay mahatonga ny olona ho tsy ankasitrahin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe asa maloto ara-bakiteny.