# Tsy maintsy mivoaka eo amin'ny alitara izay eo anatrehan'i Yaveh izy Io dia ny alitara fanaovana sorona ao an-tokontanin'ny tabernakely. # manao fanavotana ho an'izany Tahaka ny toerana masina sy ny lay fihaonana, ilay alitara dia maloto nohon'ny fahotan'ireo vahoaka. # Tandroky ny alitara "ny sary hita eo amin'ny zoron'ny alitara" Io dia manondro ny zoron'ny alitara. Toy ny tandrok'omby ny endrik'izy ireo. Adikao tahaka ny nanaovanaoazy ao amin'ny 4:6. # mba handiovana izany Ny fahamendrehan'ny fampiasana ny alitara ho an'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny. # hanokanana izany ho an'i Yaveh, lavitr'ireo asa maloton'ny vahoakan'Israely Ny fanokanana ny alitara ho an'i Yaveh dia resahina toy ny hoe nosarahina ara-bakiteny tamin'ny fahotan'ireo vahoaka. # 'ireo asa maloto Ireo asa feno fahotana izay mahatonga ny olona ho tsy ankasitrahin'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe asa maloto ara-bakiteny.