plt_tn/jhn/13/10.md

16 lines
750 B
Markdown

# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Jesosy dia mbola manohy miresaka amin'i Simona Petera.
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Jesosy dia mampiasa ny teny hoe "ianareo" mba hanehoana ireo mpianany rehetra.
# Izay efa nandro dia tsy mila izany, afa-tsy ny manasa tongony ihany
Eto ny "nandro" dia sari-teny izay midika fa Andriamanitra dia nanadio olona ara-panahy. DH: "Raha misy olona efa nandray ny famelan-kelok'Andriamanitra, dia mila mandray ny fanadiovana ny otany isan'andro fotsiny sisa."
# fa tsy ny rehetra nefa
Jesosy dia milaza fa ilay iray izay hamitaka Azy, Jodasy, dia tsy nahatoky Azy. Noho izany Andriamanitra dia tsy namela azy tamin'ireo fahotany. DH: "fa tsy ny rehetra aminareo no nandray ny famelan-kelok'Andriamanitra.