1.1 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mbola mitohy ny fizaran'ny tantara tamin'ny toko teo aloha. Jesosy dia mipetraka eo amin'ny latabatra miaraka amin'ireo mpianany ary manohy mresaka amin'izy ireo.
Izaho no tena voaloboka
Eto ny "tena voaloboka" dia sari-teny. Jesosy dia mampitaha ny tenany amin'ny voaloboka. Izy no fototry ny fiainana izay mahatonga ny olona hiaina araka ny fomba izay hankasitrahan' Andriamanitra. DH: "Izaho dia tahaka ny voaloboka izay manome voa tsara"
ny Raiko no mpamboly
Ny hoe "mpamboly" dia sari-teny. Ny hoe "mpamboly" dia olona mikarakara ny voaloboka mba hanomezany voa tsara. DH: "ny Raiko dia tahaka ny mpamboly"
ny Raiko
Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.
Esoriny ato amiko ny sampana rehetra izay tsy mamoa voankazo, ary rantsaniny ny sampana izay mamokatra mba hamoa voankazo bebe kokoa izany
Eto ny "sampana" dia sari-teny izay maneho ny olona tsirairay izay an'i Jesosy. Andriamanitra dia mikarakara azy ireo amin'izay mba ho afaka miaina amin'ny fomba izay ankasitrahany izy ireo.
Esoriny
"tapahana sy esorina"
rantsaniny ny sampana
"mikarakara ny sampana rehetra"