plt_tn/jhn/15/01.md

28 lines
1.1 KiB
Markdown
Raw Permalink Normal View History

2021-09-23 18:20:42 +00:00
# Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mbola mitohy ny fizaran'ny tantara tamin'ny toko teo aloha. Jesosy dia mipetraka eo amin'ny latabatra miaraka amin'ireo mpianany ary manohy mresaka amin'izy ireo.
# Izaho no tena voaloboka
Eto ny "tena voaloboka" dia sari-teny. Jesosy dia mampitaha ny tenany amin'ny voaloboka. Izy no fototry ny fiainana izay mahatonga ny olona hiaina araka ny fomba izay hankasitrahan' Andriamanitra. DH: "Izaho dia tahaka ny voaloboka izay manome voa tsara"
# ny Raiko no mpamboly
Ny hoe "mpamboly" dia sari-teny. Ny hoe "mpamboly" dia olona mikarakara ny voaloboka mba hanomezany voa tsara. DH: "ny Raiko dia tahaka ny mpamboly"
# ny Raiko
Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra.
# Esoriny ato amiko ny sampana rehetra izay tsy mamoa voankazo, ary rantsaniny ny sampana izay mamokatra mba hamoa voankazo bebe kokoa izany
Eto ny "sampana" dia sari-teny izay maneho ny olona tsirairay izay an'i Jesosy. Andriamanitra dia mikarakara azy ireo amin'izay mba ho afaka miaina amin'ny fomba izay ankasitrahany izy ireo.
# Esoriny
"tapahana sy esorina"
# rantsaniny ny sampana
"mikarakara ny sampana rehetra"