1022 B
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mbola manohy miteny Yaveh.
ireo nosy...ny faran'ny tany
Ireo andianteny ireo dia manambara ny olona izay mipetraka ao amin'ireo toerana ireo. DH: "Ny olona izay monina ao amin'ireo nosy...ny olona izay monina any amin'ny faran'ny tany"
ireo nosy
Afaka adikanao tahaka ny nandikanao ny "morontsiraka" tao amin'ny 41:1 ny hoe "nosy".
ny faran'ny tany
Ireo toerana eto an-tany izay tena lavitra dia resahina toy ny hoe toerana izay iafaran'ny tany. DH: "ireo toerana lavitra indrindra eto an-tany"
nanatona izy ireo ka tonga
Io poa-droa io dia midika fa niara-niangona ny olona. DH: "niaraka tonga izy ireo"
riandriana
vongam-by izay ataon'ny olona hiendrika vy amin'ny tantanana.
milaza ny solohoto
Eto ny teny hoe "solohoto" dia manondro ny dingan'ny fanefena volamena izay atao amin'ny hazo rehefa nahavita sampy ireo mpiasa.
Nofehezin'izy ireo tamin'ny fantsika izany mba tsy hihozongozona
Eto ny hoe "izany" dia manondro ny sampy izay nataon'izy ireo.