1.2 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra
Eto i Paoly dia miresaka momba ny adidiny hitory.
Tamin'ny fitsanganana tamin'ny maty
"Tamin'ny nananganana azy tamin'ny maty"
voambara ho ilay zanaka maherin'Andriamanitra ... Izy
Ny teny hoe "izy" dia eto manondro an'Jesosy Kristy. Afaka adika hoe DH: " Andriamanitra nanambara Azy ho Zanaka maherin'Andriamanitra"
zanaka maherin'Andriamanitra
Ny fitsanganan'i Jesosy tamin'ny maty dia manaporofo fa Izy ilay "Zanak'Andriamanitra" taloha sy ankehitriny. Io dia fiantsoana manan-danja an'i Jesosy.
Fanahin'ny fahamasinana
Io dia ilazana ny Fanahy Masina.
Nandraisantsika fahasoavana sy ny maha-apostoly
Andriamanitra nanome an'i Paoly ny fanomezam-pahasoavana mba ho apostoly. Afaka adika koa hoe DH: " Andriamanitra no nahatonga ahy ho apostoly. Izany dia tombony manokana"
isika
Ny teny "isika" dia manondro an'i Paoly sy ireo apostoly izay nanaraka an'i Jesosy, fa manala ireo mpino ao amin'ny fiangonana ao Roma.
Amin'ny fankatoavana ny finoana eo amin'ny firenena rehetra, noho ny Anarany
Mampiasa ny teny hoe "anarana" i Paoly mba hilazana an'i Jesosy. DH: "mba hampianatra ny firenena rehetra hankatoa noho ny finoan'ireo Azy"