1008 B
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Satria efa mifarana ny bokin'ny Apokalypsy, Jesosy dia manao fanaovam-beloma.
Alfa sy Omega, ny voalohany sy ny farany, ny fiandohana sy ny fiafarana.
Ireo fehezanteny telo ireo dia mitovy dika ary manamafy fa Jesosy dia nisy ary misy mandrakariva.
Alfa sy Omega
Ireo no voalohany sy farany amin'ny abidian'ny Grika. Ny mety ho dikany hafa 1) "ilay iray izay manomboka ny zavatra rehetra sy mamarana ny zavatra rehetra" na 2) "ilay iray izay velona hatramin'izay sy ilay velona mandrakizay" . Afaka atao ihany koa hoe: "ny A sy ny Z" na "ny voalohany sy ny farany" Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:7.
ny voalohany sy ny farany
Izany dia maneho ny maha-izy Azy an'i Jesosy.
ny fiandohana sy ny fiafarana
Ireo mety ho dikany: 1) "ilay iray izay manomboka ny zavatra rehetra sy mamarana ny zavatra rehetra" na 2) "ilay iray izay efa nisy talohan'ny zavatra rehetra ary hisy aorian'ny zavatra rehetra." Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 21:5.