forked from WA-Catalog/plt_tn
795 B
795 B
Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Jaona dia manomboka mamaritra ny tapany manaraka amin'ny fahitany. Io ampahany iray io dia momba ny Zanak'Olona hijinja ny tany. Ny fijinjana ny vokatra dia famantarana ny fitsaran'Andriamanitra ny olona."
ny iray toy ny zanak'olona
Io fitenenana io dia mamaritra ny endrik'olombelona, olona iray izay tahaka ny olombelona. Jereo izay nandikanao izany ao amin'ny 1:12.
satro-boninahitra volamena
Tahaka ny fehiloha vita tamin'ny rantsan'oliva na ravin-java-maniry, notefena volamena. Ohatra amin'izao fotoana ny satro-boninahitra izay atao amin'ny lohan'ny atleta mpandresy.
fijinjana
fitaovana iray fanapahana bozaka, voa, ary voaloboka
nivoaka ny tempoly
"nivoaka ny tempoly tany an-danitra"
ka nojinjaina ny tany
"izy nijinja ny tany"