forked from WA-Catalog/plt_tn
28 lines
1.1 KiB
Markdown
28 lines
1.1 KiB
Markdown
# Ny lohany sy ny volony dia fotsy tahaka ny volon'ondry— fotsy tahaka ny rano mandry
|
|
|
|
Ny volon'ondry sy ny rano mandry dia ohatra amin'ireo zavatra izay tena fotsy. Ny famerenana ny hoe: "fotsy tahaka" dia manamafy fa tena fotsy izy ireo.
|
|
|
|
# ny masony tahaka ny lelafo
|
|
|
|
Ny masony dia mamaritra hoe feno hazavana tahaka ny lelan'afo. DH: "ireo masony dia namiratra tahaka ny lelan'afo"
|
|
|
|
# Ny tongony mangirana tahaka ny varahina
|
|
|
|
Ny varahina dia nofotsiana mba hanjelatra sy hitaratra hazavana. DH: "Ireo tongony dia tena nangirana toy ny varahina nofotsiana"
|
|
|
|
# toy ny varahina voadio teo amin'ny lafaoro
|
|
|
|
Ny varahina dia diovina aloha ary avy eo atao mangirana. DH: "tahaka ny varahina voadio tao anaty lafaoro sy natao mangirana"
|
|
|
|
# lafaoro
|
|
|
|
fatana hitazonana hafanana be. Ny olona dia mametraka vy ao anatiny, ary ny afo tena mamay dia handoro ny fahalotoana eo amin'ilay vy.
|
|
|
|
# feona rano be mikoriana
|
|
|
|
Mafy tahaka ny feon-drenirano lehibe mikoriana mafy, loharano, na onjan-dranomasina mafy.
|
|
|
|
# sabatra roa lela maranitra
|
|
|
|
maranitra amin'ny sisiny roa mba samy hanapaka amin'ny ilany roa.
|