1.2 KiB
Dia hoy izy ireo
Eto ny teny "izy ireo" dia manondro ireo mpitarika Jiosy.
Ho averinay izay nalainay tamin'izy ireo
Ireo mpitarika Jiosy dia nilaza fa hamerina ireo vola tombony izay naloan'ireo Jiosy tena mahantra.
nampianiana azy ireo
Eto ny teny "azy ireo" dia manondro ireo mpitarika Jiosy.
Dia niantso ireo mpisorona aho
Ny teny "aho" eto dia manondro an'i Nehemia.
Nanakopaka izay niforitra tamin'ny akanjoko
"Nanakopaka ireo paosin'ny akanjoko aho." Matetika tao amin'ny Testamenta Taloha ny fianianana dia naseho ampahibemaso mba ho vavolombelon'ilay fampanantenana nataon'ilay olona. Nehemia dia nampiseho tamin'ireo mpitarika Jiosy izay hitranga raha toa ka mandika ny fampanantenana nataony izy ireo.
Aoka anie hafahan'Andriamanitra amin'ny tranony ... Aoka anie hafahana sy foanana izy
Eto i Nehemia dia miresaka ny fanalan'Andriamantra ny fananan'ireo olona toy ny hoe manotsakotsana hiala amin'ny tranony sy ireo fananany tahaka ny nanakopahan'i Nehemia ny akanjony. DH: "Koa Andriamanitra anie hanala ireo fananana sy tranon'ny lehilahy rehetra izay tsy mitandrina ny fampanantenany tahaka ny nanesorako ny zavatra rehetra teo amin'izay niforitra teo amin'ny akanjoko"