forked from WA-Catalog/plt_tn
880 B
880 B
Fampifandraisana ny foto-kevitra
Mbola mitohy ny fizaran'ny tantara tamin'ny toko teo aloha. Jesosy efa niresaka tamin'ireo mpianany, ary manomboka mivavaka amin'Andriamanitra izao.
dia nanandratra ny masony ho amin'ny lanitra Izy
Ity dia fomba fiteny izay midika hoe mijery miakatra. DH: "nijery ny lanitra Izy"
lanitra
Ity dia maneho ny habakabaka.
Ray ô ... mankalazà ny Zanakao mba hankalazan'ny Zanaka Anao
Jesosy manontany an'Andriamanitra Ray mba hanome voninahitra Azy ka mba hafahany manome voninahitra an'Andriamanitra.
Ray ... Zanaka
Ny "Ray ... Zanaka" dia fiantsoana manan-danja izay mamaritra ny fifandraisana eo amin'Andriamanitra sy Jesosy.
tonga ny fotoana
Eto ny hoe "fotoana" dia entina anehoana ny fotoana hijalian'i Jesosy sy hafatesany. DH: "fotoana izao hijaliako sy hafatesako"
ny nofo rehetra
Ity dia maneho ny olona rehetra.