plt_tn/jhn/08/12.md

32 lines
1.3 KiB
Markdown

# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny
Ity ny fizarana manaraka amin'ny tantara. Jesosy dia miresaka amin'ny vahoaka izay akaikin'ny harena tao an-tempoly.
# Izaho no fahazavan'izao tontolo izao
Eto ny "fahazavana" dia sari-teny hilazana ny fanambarana izay avy amin'Andriamanitra. DH: "Izaho ilay iray izay manome fahazavana an'izao tontolo izao"
# izao tontolo izao
DH: "Ny olona eto ambonin'ny tany"
# izay manaraka Ahy
Fomba fiteny ity izay midika hoe "Ny olona rehetra izay manao izay ampianariko" na "ny olona rehetra izay mankatoa Ahy"
# tsy handeha amin'ny haizina
Ny "handeha amin'ny haizina" dia sari-teny hilazana hoe miaina amin'ny fiainana feno ota. DH: "tsy hiaina toy ny hoe ao anatin'ny haizin'ny ota izy"
# fahazavan'ny fiainana
Ny "fahazavan'ny fiainana" dia sari-teny ho an'ny fahamarinana avy amin'Andriamanitra izay manome ny fiainana ara-panahy. DH: "fahamarinana izay mitondra ny fiainana mandrakizay"
# Ianao dia manambara ny tenanao
"Ianao dia milaza fotsiny ireo zavatra ireo momban'ny tenanao"
# tsy marina ny fanambaranao
Ireo Fariseo dia milaza fa ny fijoroan'ny olona iray vavolombelona fotsiny dia tsy marina satria tsy azo porofoina. DH: "Ianao dia tsy afaka ny hijoro vavolombelona amin'ny tenanao" na "Izay lazainao mahakasika ny tenanao dia mety tsy ho marina"