forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1006 B
Markdown
24 lines
1006 B
Markdown
# Izany dia hitranga, raha
|
|
|
|
Izany dia midika fa ireo izay nampanantenain'i Yaveh dia hitranga raha mankato ireo didiny ny Israelita.
|
|
|
|
# izay handidiako
|
|
|
|
Mosesy eto no miteny.
|
|
|
|
# amin'ny fonareo sy ny fanahinareo manontolo
|
|
|
|
Ny fomba fiteny hoe "amin'ny foao manontolo" dia midika hoe "tanteraka" ary ny hoe "amin'ny fanahinao manontolo" dia midika hoe "amin'ny maha-izy anao tanteraka." Manana dika mitovy ireo. Jereo ny fomba nandikanao izany tao amin'ny 4:29. DH: "amin'ny maha-izy anao tanteraka" na "amin'ny tanjakao rehetra"
|
|
|
|
# mba hanomezako ranon'orana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany
|
|
|
|
"hahatonga izany hanorana amin'ny taninareo amin'ny vanim-potoany Aho"
|
|
|
|
# mba hanomezako
|
|
|
|
Yaveh eto no miteny. DH: "mba hanomezan'i Yaveh" na "mba hanomezany"
|
|
|
|
# ny voaloha-orana sy ny fara-orana
|
|
|
|
Ity dia maneho ny orana amin'ny fiantombohan'ny vanin'andro famafazana sy ny orana mampatoy ny vokatra amin'ny fotoam-pijinjana. DH: "ny oram-pararano sy ny oran-dohataona" na "ny orana amin'ny vanim-potoany"
|