1.2 KiB
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Mitohy ny hafatr'i Yaveh ho an'i Josia Mpanjaka tamin'ny alalan'i Holda, mpaminany vavy.
ny hatezerako dia nirehitra tamin'ity toerana ity, ary tsy ho faty izany
Resahina toy ny afo mandoro sy tsy mety maty ny fahatezarana mafin'i Yaveh. DH: "tahaka ny afo mandoro izay tsy mety maty ny fahatezerako amin'ity toerana ity"
ity toerna ity
Eto ny hoe "toerana" dia ilazana ny vahoaka izay monina ao Jerosalema sy ao Joda. DH: "ireo vahoaka ireo"
Momba ireo teny izay renao
Eto ny hoe "teny" dia ilazana ny hafatra izay ambaran'i Holda. DH: "Momba ny hafatra izay renao"
satria tso-po ianao
Eto ny "fo" dia ilazana ny ao anatin'ny olona. Ny fahatsapana fa diso dia resahina toy ny hoe tro-po. DH: "satria nahatsapa ianao fa diso" na "satria nibaboka ianao"
fa ho tonga faharavana sy ozona izy ireo
Azo avadika ho matoanteny na mpamari-toetra ny hoe "faharavana" sy ny hoe "ozona." DH: "fa hanozona azy ireo Aho ary hahatonga ny tany ho faharavana"
nandriatra ny akanjonao
Izany fihetsika izany dia famantarana entina anehoana ny fahoriana sy alahelo lehibe.
izany no fanambaran'i Yaveh
Eto i Yaveh dia milaza ny tenany toy ny hoe olona hafa. DH: "Izany no nambarako"