1.3 KiB
Tamin'ny volana fahavalo
Io dia ny volana fahavalo amin'ny tetiandro Hebreo. Izany dia mandritra ny tapany faran'ny Oktobra sy ny tapany voalohan'ny Novambra amin'ny tetiandro Tandrefana.
taona faharoa nanjakan'i Dariosa
"taona faharoa izay nanomboka nahalasa mpanjaka an'i Dariosy"
dia tonga...ny tenin'i Yaveh
"Niteny ny teniny i Yaveh"
Yaveh
Io dia anaran'Andriamanitra izay nambarany tamin'ny vahoaka tao amin'ny Testamenta Taloha. Jereo ny pejin'ny teny amin'ny fandikan-teny momba an'i Yaveh mahakasika ny fomba handikana izany.
Berekia...Ido
Ireo dia anaran-dehilahy.
Tezitra fatratra tamin'ireo razambenao
"tezitra mafy tamin'ireo razambenao taloha"
Mitodiha Amiko
Ny teny "mitodiha" dia nampiasaina mba hanondroana fiovana. Milaza ny vahoaka ny mba hiovan'izy ireo tamin'ny tsy nankatoavany Azy amin'ny fankatoavana Azy i Yaveh.
izany no fanambaran'i Yaveh tompon'ny maro
Io andianteny io matetika adika hoe "Hoy i Yaveh" ao amin'ny UDB. Afaka mandika izany andianteny izany amin'izay fomba mety amin'ny fiteninao ianao. Io andianteny io dia nampiasaina im-betsaka ao amin'ny Zakaria.
dia hitodika aminareo Aho
Amin'ny filazany fa hitodika amin'ny vahoakan'i Israely Izy, dia milaza i Yaveh fa hisy zava-tsoa hitranga amin'izy ireo satria nanampy azy ireo Izy. DH: "Hitahy anareo Aho."