973 B
Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
Eto ny mpanoratra dia mamerina ny tenin'i Zakaria mba hampisehoana fa tanterak'i Jesosy ny faminaniana tamin'ny nitaingenany boriky tao Jerosalema.
Ary
Io teny io dia ampiasaina mba hanamarihana fiatoana ao amin'ny fizotry ny tantara. Eto i Matio dia manazava ny nahatanterahan'ny asan'i Jesosy ny soratra Masina.
mba hahatanteraka izay nambara tamin'ny alalan'ny mpaminany
Azo atao hoe DH: "niseho izany mba hahatanterahan'i Jesosy izay nolazain'Andriamanitra tamin'ny alalan'ny mpaminany hatry ny ela"
tamin'ny alalan'ny mpaminany
Azo atao mazava hoe mpaminany iza no nilaza izany. DH: "tamin'ny alalan'i Zakaria mpaminany"
ny zanaka vavin'i Ziona
Ny "zanaka vavy" ny tanàna iray dia midika hoe olon'ny tanàna. DH: "ireo olon'i Ziona" na "ireo olona izay monina ao Ziona"
Ziona
Anaran'i Jerosalema iray hafa io.
boriky- zana-boriky lahy
Manazava io teny io fa mbola tanora ilay biby - boriky lahy, tanora