1.2 KiB
Fampifandraisana ny foto-kevitra:
Mbola manohy miresaka an'i Babylona momba ny fianjerany toy ny hoe mpanjakavavy izay afa-baraka ihany Yaveh.
Tezitra tamin'ny vahoako Aho
Eto ny hoe "Aho" dia manondro an'i Yaveh.
nandoto ny lovako Aho
Ny vahoakan'Israely izay fananany manokana dia resahin'i Yaveh toy ny hoe lovany izy ireo. DH: "Nandoto ny oloko, izay fananako manokana Aho"
nanome ireo ho eo an-tananareo
Eto ny teny hoe "tanana" dia manambara ny fahefan'i Babylona na ny fifehezany. DH: "Nametraka azy ireo tao ambany fahefanareo Aho"
nametraka zioga mavesatra tamin'ny antitra ianareo
Ny fampijalian'ireo Babyloniana ny olona antitra dia resahin'i Yaveh toy ny hoe nitondra ny antitra tahaka ny biby fiompy ary nametraka zioga mavesatra teo amin'ny hatony izy ireo.
Hanapaka mandrakizay tahaka ny fiandrianan'ny mpanjakavavy aho
Ny fanapahana hatrany eo amin'ireo firenena maro dia resahin'i Babylona toy ny hoe mpanjakavavy izay hanapaka mandrakizay izy.
Tsy nandray ireo zavatra ireo tamin'ny fo ianareo
Ny fiheverena tsara momba ny zavatra iray dia resahin'i Yaveh toy ny hoe fametrahana izany zavatra izany ao am-pon'ny olona. DH: "Tsy nihevitra ireo zavatra ireo ianareo"