# Ho ...anareo Ny teny "ianareo" dia manondro ireo vahoakan'Israely. # amin'ny volana faha-fito, amin'ny andro fahafolon'ny volana izany Io dia volana fahafito amin'ny tetiandro Hebreo. Ny andro fahafolo dia manakaiky ny faran'ny volana Septambra amin'ny tetiandro tandrefana. # ny fanavotana dia ho atao ho anareo DH: "Hanao fanavotana ho anareo i Arona" # mba hanadiovana anareo ...mba hadio Ny olona izay eken'ny sitrapon'Andriamanitra dia resahina toy ny hoe madio ara-bakiteny. # Ho Sabata fitsaharana manetriketrika ho anareo izany Io dia tsy mitovy amin'ny Sabata izay ankalazain'izy ireo izay ny andro fahafiton'ny herinandro. Io dia Sabata manokana amin'ny Andro Fanavotana.