# Fampahafantarana amin'ny Ankapobeny: Manohy ny fitenenany amin'i Mosesy izay tsy maintsy ataon'ny olona i Yaveh. # Dia aoka izy hitetika ...natao tamin'ny afo ho Azy izany Ho an'ny 1:12-13, jereo ny fomba nandikanao ny ankamaroan'ireo teny ireo ao amin'ny 1:7. # Dia aoka izy hitetika izany Eto, ny "izy" dia manondro ilay olona manatitra ilay sorona. DH: "Dia aoka ianareo hitetika izany" # ary ny mpisorona dia handahatra ireo eo amin'ny kitay efa mirehitra, izay eo ambonin'ny alitara "ary handoro ny ireo zavatra rehetra ireo eo amin'ny alitara ny mpisorona" # hiteraka hanitra malefaka ho an'i Yaveh Ny fahafahampon'i Yaveh amin'ny mpanompo tso-po manatitra ny fanatitra dia resahina toy ny hoe afapo ny amin'ilay hanitr'ilay fanatitra dorana Yaveh. Jereo ny nandikanao an'io tao amin'ny 1:7. # ho fanatitra natao tamin'ny afo ho Azy izany Yaveh dia milaza amin'i Mosesy fa ireo mpisorona dia tsy maintsy mandoro ny fanatitr'izy ireo amin'ny afo. DH: "ho fanatitra dorana ho Ahy izany" na "ho fanatitra dorana ho an'i Yaveh izany"