# Izaho no mofon'ny fiainana Amin'ny alalan'ny sari-teny, dia mampitaha ny tenany amin'ny mofo Jesosy. Tahaka ny mofo ilaina amin'ny fiainana ara-nofontsika, no ilavana an'i Jesosy ho an'ny fiainana ara-panahintsika. DH: "Tahaka ny sakafo mitazona ny nofontsika ho velona, no afahako manome anareo fiainana ara-panahy." # mino Ity dia midika hoe mino fa Jesosy dia ilay Zanak'Andriamanitra, mahatoky Azy ho Mpamonjy, ary miaina amin'ny fomba manome voninahitra Azy. # Ny rehetra izay omen'ny Raiko Ahy dia hanatona Ahy Andriamanitra Ray sy Andriamanitra Zanany dia hanavotra foana ireo izay mino an'i Jesosy. # Ray Ity dia fiantsoana manan-danja ho an'Andriamanitra. # izay manatona Ahy dia tsy mba ho ariako DH: "Ho tazomiko izay rehetra manantona Ahy"