# Fampifandraisana ny foto-kevitra Tamin'ny fitenenana mafy nefa tamin-panajana no namaranan'i Stefana ny valinteniny tamin'ny mpisoronabe sy ny filan-kevitra izay niantomboka tao amin'ny 7:1 . # Ireo olona izay mafy hatoka I Stefana dia nisarika tamin'ny famantarana niaraka tamin'ireo mpitarika Jiosy mba hitenenany mafy azy ireo # mafy hatoka Io dia tsy midika hoe mafy ny hatok'izy ireo fa hoe "mafy loha"izy ireo." # tsy voafora ao am-po sy sofina Ireo Jiosy dia nandray ireo olona tsy voafora ho tsy mankatoa an'Andriamanitra. Nampiasa ny "fo" sy "sofina" i Stefana eto mba hisolona tena ireo mpitarika Jiosy izay nanao toy ny fanaon'ny Jentilisa rehefa tsy manao na tsy mihaino an Andriamanitra izy ireo. DH: Ianareo dia mandà tsy hankatoa sy hihaino" # Iza tamin'ireo razanareo no tsy nanenjika mpaminany? Nametraka io fanontaniana io i Stefana mba nampisehoana azy ireo fa tsy nandray lesona tamin'ny lesok'ireo razambe izy ireo. DH: "Novonoin'ireo razambe anareo ny mpaminany rehetra" # ilay Fahamarinana Io dia manambara an'i Kristy ilay Messia. # ianareo dia lasa mpamadika sy mpamono azy koa "ianareo dia namadika sy namono Azy" # mpamono azy "mpamono ilay fahamarinana" na "mpamono an'i Kristy" # ny lalàna izay napetrak'ireo anjely "ireo lalàna izay nataon'Andriamanitra mba omen'ireo anjely hoany ireo razambe antsika"