# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny Mosesy manohy miresaka amin'ny vahoakan'Israely. # Tandremo ny tenanareo "mitandrema" # mba tsy ho voafitaka ny fonareo Eto ny hoe "fo" dia maneho ny faniriana na eritreritry ny olona iray. DH: "mba tsy hamitaka anareo ny fanirianareo" na "mba tsy hamitaka ny tenanareo ianareo" # hivily sy hanompo andriamani-kafa Ny fandavana an'i Yaveh sy fanompoana andriamanitra hafa dia resahina toy ny hoe hivily ara-batana sy handeha any amin'ny lalana samihafa lavitra an'i Yaveh ilay olona. DH: "hanomboka hanompo andriamanitra hafa" # mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh Andriamanitra manomboka tezitra dia resahina toy ny hoe afo manomboka mirehitra izany. DH: "mba tsy ho tezitra aminareo Yaveh" # mba tsy hirehitra aminareo ny fahatezeran'i Yaveh; ary mba tsy hampikatona ny lanitra Izy mba tsy hisian'ny ranon'orana, ary ny tany tsy hamoa ny voany Andriamanitra mahatonga ny orana tsy hilatsaka avy eny an-danitra dia resahina toy ny hoe manidy ilay lanitra Izy. DH: "mba tsy hampitsahatra ny orana hilatsaka avy eny an-danitra Izy ka tsy hampitombo ny vokatra eo amin'ilay tany"