# Raha ny aminareo Eto ny hoe "aminareo" dia manondro ny vahoakan'Israely. # lavaka izay tsy misy rano Io lavaka io dia manambara ny sesitany. # Miverena any amin'ny fiarovana mafy DH: "Miverena any amin'ny firenenareo izay hahatsara anareo" # gadran'ny fanantenana Io dia fiteny anondroana ireo Israelita tany an-tsesitany izay mbola matoky an'Andriamanitra fa hanavotra azy ireo. # nanenjana an'i Joda ho tsipìkako Ny vahoakan'i Joda dia tondroina toy ny hoe tsipìka nentin'Andriamanitra tao an'ady izy ireo. DH: "Ataoko miady amin'ny vahoakan'i Grisia ny vahoakan'i Joda" # namahana ny zana-tsipìkako tamin'ny Efraima Ny vahoakan'Israely, ny fanjakana avaratra, dia tondroina toy ny hoe zana-tsipìka izay hitifiran'Andriamanitra ireo fahavalony. Ny famahanana dia kitapo izay hihazonana ireo tsipìkan'ny miaramila. # Efa nanaitra ireo zanakareo lahy Aho, ry Ziona, hanohitra ireo zanakareo lahy, ry Grisia Miresaka amin'ny vahoaka izay avy amin'ny firenena roa samihafa indray miaraka Andriamanitra