# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny: Ao amin'ny andininy faha 5, dia maka ny teny avy ao amin'ny Genesisy i Jesosy mba hampisehoana fa ny mpivady dia tsy tokony hisaraka. # Izy Izay nanao azy ireo dia niteny ihany koa hoe: 'Fa noho izany antony ... nofo iray izy roa? Tohin'ilay fanontaniana izay nampiasain'i Jesosy mba hamaliana ireo Fariseo ao amin'ny 19:3 io. Azo atao tsy mivantana io teny mivantana io. DH: "Ary fantatrareo tokoa fa Andriamanitra dia nilaza fa izany no antony ... nofo iray ihany izy roa" # noho izany antony Ampahany amin'ilay teny nalaina avy ao amin'ny Genesisy momba an'i Adama sy Eva io. Eto amin'ity foto-kevitra, ny antony handaozan'ny lehilahy ny rainy sy ny reniny dia satria noharian'Andriamanitra ho vadin'ny lehilahy ny vehivavy. # hikambana amin'ny vadiny "hitoetra akaikin'ny vadiny" na "hira-hitoetra amin'ny vadiny" # ary ho lasa nofo iray izy roa Io dia sarin-teny izay manamafy ny fikambanan'ny mpivady lahy sy vavy. DH: "ary ho lasa toy ny olona iray ihany izy ireo" # Ka tsy ho roa intsony izy ireo, fa ho nofo iray Io dia sarin-teny izay manamafy ny fikambanan'ny mpivady lahy sy vavy. DH: "Koa ny lahy sy ny vavy dia tsy tahaka ny olona roa intsony, fa tahaka ny olona iray ihany izy ireo"