# Raha nanao ny marina sy mahitsy tamin'i Jerobala sy ny ankohonany ianareo Nanaiky i Jotama fa nanao izay tsara izy ireo, nefa tsy tena nahatoky i Jotama fa tsara ny nataon'izy ireo. DH: "Raha nitondra an'i Jerobala sy ny ankohonany araka ny tokony ho izy ianareo" # Jerobala Anarana hafa fiantso an'i Gideona izany. Izany dia midika hoe "Aoka hiaro ny tenany i Bala." Jereo ny nandikanao izany ao amin'ny 6:31. # ny ankohonany Eto ny hoe "ankohonana" dia entina ilazana ny fianakaviana. DH: "ny fianakaviany" # Fa raha tsy izany Nanaiky i Jotama fa nanao izay ratsy izy ireo sady nanozona. Nino tokoa i Jotama fa izay ratsy no nataon'izy ireo. DH: "Fa raha nitondra an"i Jerobala syn y fianakaviany tsy araka ny tokony ho izy ianareo" # aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema Eto dia manambara ozona i Jotama. Miresaka ny fanimban'i Abilemeka ny vahoakan'i Sekema toy ny hoe dorany amin'ny afo izy ireo. # aoka hisy afo hivoaka avy ao amin'i Abimeleka ka handoro ny olon'i Sekema sy Beta-milo Eto dia manambara ozona i Jotama. Miresaka ny fanimban'ny vahoakan'i Sekema sy Beta-milo an'i Abimeleka toy ny hoe doran'izy ireo amin'ny afo izy. # Beta-milo Anaran-toerana izany. Adikao tahaka ny nandikanao ao amin'ny 9:5 izany. # Bera Anaran-tanĂ na izany.