plt_tn/2ki/03/13.md

28 lines
1.8 KiB
Markdown
Raw Normal View History

2021-09-23 18:17:55 +00:00
# Mpifaninona moa izaho sy ianao?
Nampiasa izany fanontaniana fampisainana izany i Elisa mba hanasongadinany fa tsy misy na inona na inona iraisana izy sy ny mpanjaka. Izany fanontaniana izany dia azo atao fehezanteny tsotra. DH: "Tsy misy tokony hifampiraharahako aminao." na "Tsy misy na inona na inona ifandraisako aminao."
# mba hanolotra azy ireo ho eo an-tanan'i Moaba
Eto ny hoe "tanan'i Moaba" dia ilazana ny fifehezan'i Moaba. DH: "mba hanolotra azy ireo ho eo ambany fifehezan'i Moaba" na "mba hamela azy ireo hosamborin'ny tafika Moabita"
# Raha mbola velona koa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako,
"Raha mbola fantatro koa fa velona i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anoloany tokoa no hijoroako." Eto Elisa dia mampitaha ny fahamarinan'ny fahaveloman'i Yaveh amin'ny fitompoan-teny fatratra fa raha tsy teo i Josafata dia tsy nihaino an'i Jorama izy. Izany dia fomba fianianana ampahibemaso. DH: "Raha mbola velona tokoa i Yaveh tompon'ny maro, izay eo anatrehany no hijoroako, dia mianiana aminao aho fa"
# izay eo anatrehany no hijoroako
Eto ny fanompoana an'i Yaveh dia lazaina toy ny hoe mijoro eo amin'ny fanatrehany. DH: "izay tompoiko"
# raha tsy nohon'ny fanajako ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda, dia tsy nihaino anao aho, na nijery anao akory.
Azo adika amin'ny endrika hafa izany. DH: "Mihaino anao ihany aho satria manome haja ny fanatrehan'i Josafata mpanjakan'i Joda aho"
# ny fanajako ny fanatrehan'i Josafata
Eto dia i Josafata ihany no tiana ho lazaina amin'ny hoe fanatrehana. DH: "ny fanajako an'i Josafata"
# dia tsy nihaino anao aho, na nijery anao akory
Mitovy ny hevitr'ireo andian-teny roa ireo ary niara-nampiasaina izany mba hanasongadinana fa tsy hihaino an'i Jorama mihitsy izy ireo. DH: "Tsy hisy zavatra hifampiraharahako aminao mihitsy"