forked from WA-Catalog/plt_tn
28 lines
1.5 KiB
Markdown
28 lines
1.5 KiB
Markdown
|
# Mijoroa, noho izany
|
||
|
|
||
|
Ny teny hoe ''mijoroa'' dia maneho ny fanoherana tsara na fiadiana zavatra. Jereo ny nandikanao izany tao amin'ny 6:12. ''Noho izany tohero ny ratsy''
|
||
|
|
||
|
# ny fehikibon'ny fahamarinana
|
||
|
|
||
|
Ny marina dia mihazona ny zavatra rehetra hiaraka ho an'ny mpino toy ny fehikibo mihazona ny akanjon'ny miaramila hiaraka.
|
||
|
|
||
|
# fahamarinana ... fahitsiana
|
||
|
|
||
|
Isika dia tokony hahalala ny marina ary miasa amin'ny fomba izay ankasitrahan'Andriamanitra.
|
||
|
|
||
|
# ny fiarovan-tratran'ny fahitsiana
|
||
|
|
||
|
Ireo dika azo heverina: 1) ny fanomezana ny fahitsiana dia mandrakotra ny fon'ny mpino toy ny fiarovan-tratra miaro ny tratran'ny miaramila na 2) ny fiainantsika araka ny hitiavan' Andriamanitra antsika, dia manome antsika feon'ny fieritreretana mazava izay miaro ny fontsika toy ny fomba hiarovan'ny fiarovan-tratra ny tratran'ny miaramila.
|
||
|
|
||
|
# Ary tahaka ny kiraro ho an'ny tongotrareo, dia hapetaho ny fahavononana hitory ny filazantsaran'ny fihavanana
|
||
|
|
||
|
Toy ny miaramila manao kiraro mba hanome tongotra mafy tsara azy, no tokony hananan'ny mpino fahalalana mafy amin'ny filazantsaran'ny fihavanana mba ho vonona hitory izany.
|
||
|
|
||
|
# Amin'ny toe-javatra rehetra dia raiso ny ampingan'ny finoana
|
||
|
|
||
|
Ny mpino dia tokony hampiasa ny finoana izay omen'Andriamanitra ho fiarovana rehefa manafika ny devoly, toy ny miaramila mampiasa ampinga mba hiarovana ny tenany amin'ny fanafihan'ny fahavalo.
|
||
|
|
||
|
# zana-tsipika mirehitr'afon'ilay ratsy
|
||
|
|
||
|
Ny fahafihan'ny devoly manohitra ny mpino dia toy ny zana-tsipika mirehitr'afo atifitrin'ny fahavalo eny amin'ny miaramila.
|