forked from WA-Catalog/plt_tn
24 lines
1.1 KiB
Markdown
24 lines
1.1 KiB
Markdown
|
# Fampahafantarana amin'ny ankapobeny:
|
||
|
|
||
|
Mitohy ny tantaran'ny fitondràn'i Manase Mpanjaka.
|
||
|
|
||
|
# Ho mandrakizay ao Jerosalema ny anarako
|
||
|
|
||
|
DH: "Ao Jerosalema ny toerana hampahafantarako ny maha izaho ahy."
|
||
|
|
||
|
# Nanorina ireo alitara ho an'ny kintan'ny lanitra rehetra tao amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy
|
||
|
|
||
|
Midika izany fa nanorina ireo alitara ireo izy mba hahafahan'ny vahoaka manao sorona sy midera ireo kintana. DH: "Nanorina alitara teo amin'ireo kianja roan'ny tranon'i Yaveh izy mba hahafahan'ny vahoaka midera ireo kintana sy manolotra sorona ho azy ireo"
|
||
|
|
||
|
# Nataony tao anaty afo ny zanany
|
||
|
|
||
|
Azonao atao ny manazava ny antony nanaovany ny zanany tao anaty afo sy ny zava-nitranga rehefa avy nanao izany izy. DH: "Nodorany ho faty ny zanany mba ho fanatitra ho an'ireo andriamaniny."
|
||
|
|
||
|
# naka hevitra
|
||
|
|
||
|
"naka fampahafantarana avy amin'..."
|
||
|
|
||
|
# ratsy maro teo imason'i Yaveh
|
||
|
|
||
|
Eto ny hoe "imason'i Yaveh" dia ilazana ny fomba fitsarany sy ny fomba fanapahany hevitra amin'ny zavatra sarobidy iray. Adikao tahaka ny nandikanao azy ao amin'ny 3:1 izany. DH: "Nanao izay nolazain'i Yaveh fa ratsy izy" na "Nanao izay noheverin'i Yaveh fa ratsy izy"
|