\v 1 Nivaolagna Izy tamin-jareo hoe: "Ambarako aminareo marigny tatôbe, fao misy aminareo zay mitsangagna aketo no tsy hagnandragna zany fahafataisagna zany alôhan'ny hahitan-jareo ny fanjakan-Jagnahary zay ho avy amin'ny hery lehibe." \v 2 Ary enigny andro tatô afara, dia nindesin'i jesôsy niaraka taminazy Petera ndraiky Jakoba ary Jaona tagny an-tampontanety hambo, ary zareo fogna tagny. Avy eo niaova saora teo agnilan-jareo Izy. \v 3 Ny lambanazy niaova nangilangilatra salakady mavaza, ary taigna fôtsy, fôtsy mihoatran'ny raha nankafotsigny teto ambonin'ny tany.