\v 9 Moa tsy hainareo fao ny tsy marigny dia tsy handaova ny fanjakan-Jagnahary? Aza mino vandy. Ireo vaitavaita, reo mpanompo sampy, reo mpijangajanga, reo lalahy mpivaro-taigna, reo zay miaraka mandry amin'ny samy lalahy, \v 10 reo mpangalatra, reo tsy mahay onogno, reo mpimamo, reo mpagnaratsy, reo mpagnano an-keriny—tsisy araiky aminjareo handaova ny fanjakan-Jagnahary. \v 11 Hotra zany ny sasany aminareo. Fao afa voadio areo, nihamasinigny areo, aveo voamarigny teo amin-Jagnahary areo tamin'ny agnaran'i Tompo Jesôsy Kristy ndraiky tamin'ny Fagnahin-Jagnaharintsika.