auto save
This commit is contained in:
parent
87545e7686
commit
74f327d3a9
|
@ -0,0 +1 @@
|
|||
\v 6 Ny marina mivony izany de mizaka fa ny Jentilisa de mpiara-mandova, de mpiara-miombogna amin’ny vatagna, sady mizara ny fampagnantegnana amin’ny Kristy Jesôsy avy amin’ny filzantsara iary zareo. \v 7 Fa manjary mpanompon’ny filazantsara izaho tamin’ny fahasovan’Andriamanitra nomena anaha avy amin’ny fiasan’ny heriny.
|
|
@ -0,0 +1 @@
|
|||
Nomen’Andriamanitra anaha ny fagnomezana izany, ndre de izaho aza ny farany kely mihitsy tamin’ny olo-masin’Andriamanitra. Ny fagnomezana izany de ny fomba hitoriako aminareo Jentilisa ny fizantsaran’ny harenan’i Kristy sarotra eragnina. Ny fagnomezam-pahasoavan’Andriamanitra ho anaha de ny hitondrako fagnazavana amin’ny olona maro be ny fandaharan’Andriamanitra . ny fandaharana io de navonin’Andriamanitra, ny namorogna ny raha maro be, nandritra ny taogna maro taloha. Nampafantarina tamin’ny fiangonana ny fandaharana izany mba hatonga ny mpanapaka mban’ny manam-pahefana an-danitra agny hahalala ny toetra amin’ny hakanten’Andriamanitra. Nitranga nagnaraka ny fandaharana mandrakizay zegny tanterakany tamin’ny Kristy Jesosy Tompontsena zany. Fa amin’ny Kristy no anagnantsena fahasahena mban’ny lalana misy fahatokiana avy amin’ny finoantsena an’Azy. Izany ny mahatonga anaha miangavy anareo mba tsy ho kivy tratrin’ny fijaleko ho anareo, izay voninahitranareo. Avy amin’izany de mandohalika agnatrehan’ny Ray aho, zegny nagnome agnarana ny fianakavena maro be an-ndanitra agny mban’ny eto an-tany. Mivavaka aho mba hagnomezany anareo, magnaraka ny harenan’ny voninahiny, mba hatanjaka ny hery avy amin’ny Fanahy Masina, zegny ao aminareo. Mivavaka aho mba hpetraka agnatin’ny fonareo amin’ny finoana Kristy, mba hifikitra sady hiorina amin’ny fitiavany anareo. Hahazo hery anie anareo ka hahatakatra, miaraka amin’iary zareo mpino maro be, ny sakany, ny halavany, ny hahavony, mban’ny halalignany, sady mba hahalala ny fitiavan’ Kristy, zegny ambonin’ny fahalalana maro be, ka mba fenon’ny fahafenoan’Andriamanitra maro anareo. Sady ho an’Azy zay mahefa magnano ambonin’ny zegny raha maro angatahintsena na ertreretintsena, magnaraka ny hery zegny miasa ao agnatintsena, hôn’Azy ny voninahitra ain’ny fengonana sady amin’i Kristy Jesôsy hatramin’ny taranaka maro mandrakizay doria. Amena
|
Loading…
Reference in New Issue