\v 33 Fa nisy Samaritana raika, refa nande tamin'ny nombany izy, de tonga teo amin'ny nisy an'azy. Rafa natazagna an'azy izy, de nitsetra an'azy. \v 34 De nagnatogna an'azy izy ka namatotra ny ratrany, ary nandraraka menaka sy divay tam'zany. Nampitikinany ny bibiny izy, ka nentiny taigny amin'ny tragnom-bahiny, ary nokarakarainy. \v 35 Ny amaraigna de naka denaria rôy izy, ary nagnolotra an'zany tamin'ny mpampentragno, ary nagnano hoe: "Karakarao izy, ary na ôtrino na ôtrino laninao, ra mierigna za de efaiko."